1 Tantara 6:62-66 Malagasy Bible (MG1865)

62. Ary ny an'ny sisa, taranak'i Merary, dia avy tamin'ny firenen'i Zebolona, dia Rimono sy ny tany manodidina azy ary Tabara sy ny tany manodidina azy;

63. ary any an-dafin'i Jordana, tandrifin'i Jeriko, atsinanan'i Jordana, koa dia avy tamin'ny firenen'i Robena, dia Bazera any an-efitra sy ny tany manodidina azy ary Jaza sy ny tany manodidina azy

64. ary Kedemota sy ny tany manodidina azy ary Mefata sy ny tany manodidina azy;

65. ary avy tamin'ny firenen'i Gada dia Ramota-gileada sy ny tany manodidina azy ary Mahanaima sy ny tany manodidina azy

66. ary Hesbona sy ny tany manodidina azy ary Jazera sy ny tany manodidina azy.

1 Tantara 6