1 Tantara 27:15-22 Malagasy Bible (MG1865)

15. Ny faharoa ambin'ny folo, ho amin'ny volana faharoa ambin'ny folo, dia Helday Netofatita, isan'ny taranak'i Otniela; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.

16. Ary izao no lohan ny firenen'Isiraely: Tamin'ny Robenita dia Eliezera, zanakalahin'i Zikry; tamin'ny Simeonita dia Sefatia, zanakalahin'i Maka;

17. tamin'ny Levita dia Hasabia, zanakalahin'i Kemoela; tamin'ny Aronita dia Zadoka;

18. tamin'ny Joda dia Eliho, izay isan'ny rahalahin'i Davida; tamin'ny Isakara dia Omry, zanakalahin'i Mikaela;

19. tamin'ny Zebolona dia Jismala, zanakalahin'i Obadia; tamin'ny Naftaly dia Jerimota, zanakalahin'i Azriela;

20. tamin'ny taranak'i Efraima dia Hosea, zanakalahin'i Azazia; tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia Joela, zanakalahin'i Pedaia;

21. tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase tao Gileada dia Ido, zanakalahin'i Zakaria; tamin'ny Benjamina dia Jasiela, zanakalahin'i Abnera;

22. tamin'ny Dana dia Azarela, zanakalahin'i Jerohama. Ireo no lohan'ny firenen'Isiraely.

1 Tantara 27