18. Tany Parbara andrefana nisy efatra amin'ny lalana, ary roa tao Parbara.
19. Dia Ireo no antokon'ny mpiandry varavarana tamin'ny taranak'i Kora sy ny taranak'i Merary.
20. Ary tamin'ny Levita dia Ahia no tonian'ny rakitry ny tranon'Andriamanitra sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra.
21. Ny taranak'i Ladana, ilay Ladana Gersonita, ireo lohan'ny fianakavian'i Ladana Gersonita, dia ny Jehielita.
22. Ary ny taranaky ny Jehielita, dia Zetama sy Joela rahalahiny, no tonian'ny rakitry ny tranon'i Jehovah.
23. Tamin'ny Amramita sy ny Jizarita sy ny Hebronita ary ny Ozielita
24. dia Seboela, avy tamin'ny taranak'i Gersona, zanak'i Mosesy, no tonian'ny rakitra.
25. Ary ny rahalahiny avy tamin'i Eliezera dia Rehabia, zanak'i Eliezera, sy Jesaia, zanak'i Rehabia, sy Jorama, zanak'i Jesaia, sy Zikry, zanak'i Jorama, ary Selomota, zanak'i Zikry.
26. Io Selomota io sy ny rahalahiny no tonian'ny zavatra nohamasinina ho rakitra, dia Izay nohamasinin'i Davida mpanjaka sy ny lohan'ny fianakaviana ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny komandin'ny miaramila.
27. Tamin'ny babo izay azony tamin'ny ady nisy nohamasininy ho enti-manamboatra ny tranon'i Jehovah.
28. Ary izay rehetra nohamasinin'i Samoela mpahita sy Saoly, zanak'i Kisy, sy Abnera, zanak'i Nera, sy Joaba, zanak'i Zeroia, dia izay rehetra nohamasininy, dia Selomota sy ny rahalahiny no nitahiry izany.