9. Ny zanakalahin'i Simey dia Selomota sy Haziela ary Harana; telo izy. Ireo no lohany tamin'ny fianakavian'i Ladana.
10. Ary ny zanakalahin'i Simey dia Jahata sy Zina sy Jeosy ary Beria; izy efa-dahy ireo no zanakalahin'i Simey.
11. Ary Jahata no lohany, ary Ziza no faharoany; fa Jeosy sy Beria tsy nanana zanakalahy maro, ka dia nisaina ho fianakaviana iray sy antokony iray izy.
12. Ny zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela; efatra izy.
13. Ny zanakalahin'i Amrama dia Arona sy Mosesy. Ary Arona natokana ka nohamasinina ho masina indrindra, dia izy sy ny taranany mandrakizay, handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Jehovah sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy ary hitso-drano amin'ny anarany mandrakizay.
14. Nefa ny amin'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra, dia nisaina tamin'ny firenen'i Levy ihany ny zanany.
15. Ny zanakalahin'i Mosesy dia Gersona sy Eliezera.
16. Tamin'ny zanakalahin'i Gersona dia Seboela no lohany.
17. Ary tamin'ny zanakalahin'i Eliezera dia Rehabia no lohany (Eliezera anefa tsy nanan-janaka hafa); fa ny zanak'i Rehabia dia maro indrindra.
18. Tamin'ny zanakalahin'i Jizara dia Selomota no lohany.
19. Ny zanakalahin'i Hebrona, dia Jeria no lahimatoa, Amaria no lahiaivo, Jahaziela no fahatelo, ary Jekameama no faralahy.
20. Ny zanakalahin'i Oziela, dia Mita no lahimatoa, ary Jisia no faralahy.
21. Ny zanakalahin'i Merary dia Maly sy Mosy. Ny zanakalahin'i Maly dia Eleazara sy Kisy.
22. Ary maty Eleazara ka tsy nanan-janakalahy, fa vavy avokoa; ary ireny zanakalahin'i Kisy havany no nanambady ireo.
23. Ny zanakalahin'i Mosy dia Maly sy Edera ary Jeremota; telo izy.
24. Ireo no zanakalahin'i Levy araka ny fianakaviany, dia ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny antokony avy araka ny nanisana ny anarany tsirairay, dia izay nanao ny fanompoana tao an-tranon'i Jehovah, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra.
25. Fa hoy Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nanome fitsaharana ho an'ny olony sady mitoetra eto Jerosalema mandrakizay.
26. Ary ny Levita kosa dia tsy hitondra ny tabernakely na ny fanaka enti-manompo ao aminy intsony.
27. Fa araka ny fara-tenin'i Davida dia nisaina hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra ny Levita.
28. Ary ny raharahany dia ny hanampy ny taranak'i Arona amin'ny fanompoana ao an-tranon'i Jehovah amin'ireo kianja sy efi-trano tao ary amin'ny fanadiovana ny zavatra masina rehetra sy ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra,