6. Ary ny zanakalahin'i Zera dia Zimry sy Etana sy Hemana sy Kalkola ary Dara; dimy lahy no isany.
7. Ary ny zanakalahin'i Karmy dia Akara, izay nampidi-doza tamin'ny Isiraely, dia ilay nandika ny didy ny amin'ny zavatra voaozona.
8. Ary ny zanakalahin'i Etana dia Azaria.
9. Ary ny zanakalahin'i Hezrona izay naterany dia Jeramela sy Rama ary Kelobay;
10. ary Rama niteraka an'i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an'i Nasona, lohan'ny taranak'i Joda;
11. ary Nasona niteraka an'i Salma; ary Salma niteraka an'i Boaza;
12. ary Boaza niteraka an'i Obeda; ary Obeda niteraka an'i Jese;
13. ary Jese niteraka an'i Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, sy Simea, fahatelo,
14. sy Netanela, fahefatra, sy Raday, fahadimy,
15. sy Ozema, fahenina, ary Davida, faralahy;
16. Zeroba sy Abigaila no anabaviny; ary telo ny zanakalahin'i Zeroia, dia Abisay sy Joaba ary Asahela;
17. ary Abigaila niteraka an'i Amasa; ary Jitra Isimaelita no rain'i Amasa.
18. Ary Kaleba, zanakalahin'i Hezrona, niteraka tamin'i Azoba vadiny sy tamin'i Jeriota. Izao no zanakalahin'i Azoba: Jasera sy Sobaba ary Ardona.
19. Ary nony maty Azoba, dia Efrata no nalain'i Kaleba ho vadiny, ary izy niteraka an'i Hora taminy;
20. ary Hora niteraka an'i Ory; ary Ory niteraka an'i Bezalila.
21. Ary nony afaka izany, Hezrona niray tamin'ny zanakavavin'i Makira, rain'i Gileada, izay novadiny rehefa enim-polo taona izy, dia niteraka an'i Segoba taminy ravehivavy;
22. ary Segoba niteraka an'i Jaira, izay nanana tanàna madinika telo amby roa-polo tany amin'ny tany Gileada.
23. Ary nalain'i Gesora sy Arama tamin'ny Jairita ny tanàna madinika an'i Jaira mbamin'i Kenata sy ny zana-bohiny, dia tanàna enim-polo izany. Ireo rehetra ireo no an'ny zanak'i Makira, rain'i Gileada.