1. Ary rehefa afaka izany, dia maty Nahasy, mpanjakan'ny taranak'i Amona, ary ny zanany no nanjaka nandimby azy.
2. Ary hoy Davida: Hanisy soa an'i Hanona, zanak'i Nahasy, aho, fa soa no nataon'ny rainy tamiko. Ary Davida naniraka olona hitsapa alahelo azy noho ny amin-drainy. Ary tonga tany amin'i Hanona tany amin'ny tanin'ny Amonita ny mpanompon'i Davida hitsapa alahelo azy.