1. Ary rehefa antitra Samoela, dia ny zanany no nataony mpitsara ny Isiraely.
2. Ary Joela no anaran'ny lahimatoany, ary Abia no anaran'ny faralahiny; mpitsara tany Beri-sheba izy ireo.
3. Nefa ny zanany tsy nanaraka ny dian-drainy, fa nivily nitady vola aman-karena ka nandray kolikoly sy nanao fitsarana miangatra.