1. Ary tamin'ny indray andro dia hoy Jonatana, zanak'i Saoly, tamin'ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin'ny miaramilan'ny Filistina izay erỳ an-dafy erỳ. Nefa tsy nilaza tamin-drainy izy.
2. Ary Saoly nitoetra tao an-tsisin'i Gibea teo ambanin'ny hazo ampongabendanitra any Migrona; ary ny vahoaka teo aminy dia tokony ho enin-jato lahy;
3. ary teo koa nisalotra efoda Ahia, zanak'i Ahitoba, rahalahin'i Ikaboda, zanak'i Finehasa, zanak'i Ely, mpisoron'i Jehovah tany Silo. Fa tsy fantatry ny olona fa lasa Jonatana.
4. Ary teo an-daniny roa teo an-tenatenan'ny hadilanana izay nitadiavan'i Jonatana hankanesana ao amin'ny miaramilan'ny Filistina dia nisy harambato kitso loha: ny anaran'ny anankiray dia Bozeza, ary ny anaran'ny anankiray kosa Sene.
5. Ny iray amin'ireo harambato ireo dia nijoro avo teo andaniny avaratra manandrify an'i Mikmasy, ary ny iray kosa nijoro avo teo atsimo manandrify an'i Gibea.
6. Ary hoy Jonatana tamin'ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin'ny miaramilan'ireo tsy mifora ireo; angamba homba antsika Jehovah, fa tsy misy mahasakana an'i Jehovah tsy hamonjy, na amin'ny maro, na amin'ny vitsy.
7. Dia hoy kosa ny mpitondra ny fiadiany taminy: Ataovy izay rehetra ao am-ponao; mandrosoa ihany; indro, hanaraka anao aho araka ny sitraponao.
8. Ary hoy Jonatana: Indro, handroso ho amin'ireo olona ireo isika ka hiseho aminy.
9. Ary raha hoy izy: Andraso mandra-pahatonganay any aminareo, dia hitoetra ao amin'izay itoerantsika ihany isika ka tsy hiakatra eny aminy.
10. Fa raha hoy kosa izy: Miakara etỳ aminay, dia hiakatra isika, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tanantsika izy; ary izany no ho famantarana ho antsika.
11. Dia niseho tamin'ny miaramilan'ny Filistina izy roa lahy, ary hoy ny Filistina: Indreo, misy Hebreo mifongatra avy any an-davaka niereny.
12. Ary ny miaramila namaly an'i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany hoe: Miakara etỳ aminay, dia hanehoanay zavatra ianareo. Ary hoy Jonatana tamin'ny mpitondra ny fiadiany: Manaraha ahy, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tànan'ny Isiraely izy.
13. Ary Jonatana nananika, nandady tongotra aman-tanana, ary nanaraka azy ny mpitondra ny fiadiany. Dia lavo teo anatrehan'i Jonatana ny Filistina, ary ny mpitondra ny fiadiany namono teo aoriany.
14. Ary tokony ho roa-polo lahy no matiny aloha, izay novonoin'i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany tao anatin'ny tany tokony ho antsasaky ny vavasa iray akera.
15. Koa nisy hovitra tao amin'ny toby tany an-tsaha sy tamin'ny vahoaka rehetra; ary ny teo amin'ny miaramila sy ny mpandrava nangovitra koa, ary nihorohoro ny tany, ka dia nisy fampangovitana avy tamin'Andriamanitra.
16. Ary ny mpitilin'i Saoly ao Gibean'ny Benjamina dia nitazana, ka, indro, niely ny vahoaka sady nifanaritaka be ihany.
17. Ary hoy Saoly tamin'ny olona teo aminy: Alaharo, ka izahao izay niala tamintsika. Ary nony voalahatra ny olona, dia Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany no tsy teo.