1 Mpanjaka 20:11-14 Malagasy Bible (MG1865)

11. Ary ny mpanjakan'ny Isiraely namaly hoe: Izao no holazainao aminy: Aoka izay vao misikina tsy mba hirehareha tahaka ny efa mamaha.

12. Ary rehefa ren'i Beni-hadada izany teny izany, raha mbola nisotro tao an-trano rantsan-kazo izy sy ireo mpanjaka, dia hoy izy tamin'ny mpanompony: Milahara ianareo. Ary dia nilahatra hamely ny tanĂ na izy.

13. Ary, indro, nisy mpaminany nanatona an'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, ka nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hitanao va ireo olona maro be rehetra ireo ? Indro, hatolotro eo an-tananao ireo anio; dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.

14. Ary hoy Ahaba: Amin'iza? Ary hoy izy: Izao no lazain'i Jehovah: Amin'ny zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-tokony. Dia hoy izy: Iza ary no hamely aloha ? Hianao ihany, hoy izy.

1 Mpanjaka 20