1 Mpanjaka 20:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, namory ny miaramilany rehetra, koa mpanjaka roa amby telo-polo mbamin'ny soavaly sy ny kalesy no niaraka taminy; dia niakatra izy ka nanao fahirano an'i Samada ary namely azy.

2. Ary nandefa iraka ho any amin'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, tany an-tanàna izy

3. hanao aminy hoe: Izao no lazain'i Beni-hadada: Ny volafotsinao sy ny volamenanao dia ahy; ary ny vadinao aman-janakao, na dia ny tsara tarehy indrindra aza, dia ahy koa.

4. Ary ny mpanjakan'ny Isiraely namaly hoe: Eny marina ny teninao ry mpanjaka tompoko ô: anao aho sy izay rehetra ananako.

5. Dia niverina indray ny iraka ka nanao hoe: Izao no tenin'i Beni-hadada: Naniraka tatỳ aminao aho nanao hoe: Ny volafotsinao sy ny volamenanao ary ny vadinao aman-janakao dia omeo ahy;

6. koa raha maniraka ny mpanompoko ho atỳ aminao aho rahampitso toy izao, ka savany ny tranonao sy ny tranon'ny mpanomponao, dia horaisin'ny tànany sy ho entiny avokoa izay rehetra mahafinaritra ny masonao na inona na inona.

1 Mpanjaka 20