1 Mpanjaka 17:5-9 Malagasy Bible (MG1865)

5. Dia lasa izy ka nanao araka ny tenin'i Jehovah; fa nandeha izy ka nititra teo anilan'ny renirano Kerita any atsinanan'i Jordana.

6. Ary ny goaika nitondra mofo sy hena ho azy isa-maraina ary mofo sy hena isan-kariva, ary ny rano tamin'ny renirano no nisotroany.

7. Ary nony ela, dia ritra ny renirano noho ny tsi-fisian'ny ranonorana tamin'ny tany.

8. Ary ny tenin'i Jehovah tonga taminy ka nanao hoe:

9. MiaingĂ  ka mankanesa any Zarefata, izay naman'i Sidona, ary mitoera any; fa, indro, misy vehivavy mpitondratena any izay notendreko hamelona anao.

1 Mpanjaka 17