13. Fa hoy Elia taminy: Aza matahotra, fa andeha miditra, ka manaova araka izany lazainao izany; nefa anaovy mofo kely ihany aho aloha, ka ento etỳ amiko, ary rehefa izany, dia vao manaova ho anao sy ny zanakao koa.
14. Fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tsy ho lany ny koba ao amin'ny barika, ary tsy ho ritra ny diloilo ao amin'ny tavoara mandra-pihavin'ny andro handatsahan'i Jehovah ranonorana amin'ny tany.
15. Dia nandeha ravehivavy ka nanao araka ny tenin'i Elia, ary izy sy ravehivavy mbamin'ny ankohonany dia nanan-kohanina elaela ihany.
16. Nefa tsy lany ny koba tao amin'ny barika, ary tsy ritra ny diloilo tao amin'ny tavoara, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Elia.