1. Ary tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, no vao nanjakan'i Abia tamin'ny Joda.
2. Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Imaka, zanakavavin'i Absaloma.
3. Ary nandeha tamin'ny fahotana rehetra nataon-drainy izy, dia izay nataony teo alohany; ary ny fony tsy mba nahitsy tamin'i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon'i Davida rainy.