52. Fa hoy Solomona: Raha hita fa lehilahy tsara fanahy izy, dia tsy hisy na dia singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin'ny tany; fa raha misy heloka kosa ho hita aminy, dia ho faty ihany izy.
53. Dia naniraka Solomona mpanjaka nampidina azy hiala amin'ny alitara. Dia avy izy ka niankohoka teo anatrehan'i Solomona mpanjaka; ary dia hoy Solomona taminy: Modia any an-tranonao.