38. Dia nidina Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Renaia, zanak'i Joiada, ary ny miaramila mpiambina andriana, dia nampitaingina an'i Solomona ny ampondravavin'i Davida mpanjaka izy, ka dia nitondra azy nankany Gihona.
39. Ary Zadoka mpisorona naka ny tandroka misy diloilo tao amin'ny trano-lay ka nanosotra an'i Solomona. Ary notsofina ny anjomara, ka dia hoy ny vahoaka rehetra: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!
40. Dia niakatra nanaraka azy ny vahoaka rehetra ary nitsoka sodina sady nifaly dia nifaly, ka dia nihorohoro ny tany noho ny feony.