1 Korintiana 16:13-21 Malagasy Bible (MG1865)

13. Miambena ianareo, tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza.

14. Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin'ny fitiavana.

15. Fantatrareo ny ankohonan'i Stefanasy, fa voaloham-bokatr'i Akaia izy sady efa nanolo-tena ho amin'ny fanompoana ny olona masina; dia mangataka aminareo aho, ry rahalahy,

16. mba hanaiky tsara ny olona tahaka ireny sy izay rehetra miara-miasa sy mikely aina koa ianareo.

17. Faly aho noho ny fihavian'i Stefanasy sy Fortonato ary Akaiko; fa ireo no nahefa ny tsy vitanareo;

18. fa namelombelona ny fanahiko sy ny anareo koa izy; ka mba ekeo ny tahaka ireny.

19. Manao veloma anareo ny fiangonana atỳ Asia. Manao veloma anareo indrindra ao amin'ny tompo Akoila sy Prisila mbamin'ny fiangonana izay ao an-tranony.

20. Manao veloma anareo ny rahalahy rehetra. Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina.

21. Ny tanako, izaho Paoly, no anaovako veloma.

1 Korintiana 16